Socials
- Catégorie : Socials
Niato nanomboka omaly ny fihetsiketsehin’ireo mpivarotr’Anosibe manohitra ilay fananganana tsena vaovao. Ahiana mantsy ny fisian’ny mpanararaotra ny hetsika.
Misy ireo mpampiasa ny toerana fiantsonan’ny fiara eo amin’ny tsenan’Anosibe no efa nampiditra ny fiarany amin’ny faritra nofefen’ny kaomina hanamboarana tsena vaovao. Mandeha ihany koa ny feo fa misy ireo andian’olona mikasa ny handrava an-keriny ny ampahany amin’ny fotodrafitr’asa efa voatsangana na dia mbola tsy nahenoina valiteny aza ny kaomina mahakasika ny fitakian’ny mpivarotra. Nilaza anefa ireo mpivarotra fa tsy ny mpivarotra velively no mikasa hanao io fandravana an-keriny araka ny feo mandeha io.
- Catégorie : Socials
Ny tantaram-piainan’i Jorge Mario Bergiglio na ny Pape François
Jorge Mario Bergoglio no tena anaran’i Pape François. Teraka ny 17 décembre 1936 tao Buenos Aires Argentine izy. Mario Josè Bergoglio no anaran’ny rainy ary Régina Maria Sivori no anaran’ny reniny, izy ireo izay samy zanaka mpitsao-ponenana Italiana avokoa. Mpahay simia I Jorge Mario Bergoglio talohan’ny nidirany tao amin’ny semineran’ny Villa devote sy nidirany ho noviciat tao amin’ny mpanara-dia an’I jesoa na ny jezoita ny 11 martsa 1958.
- Catégorie : Socials
Natomboka tany Vatomandry ny tetikasam-panjakana tahirim-pirenena, tahiry handoavana 9000 Ar isan’olona afahana mitsabo tena maimaim-poana mandritra ny heritaona.
Ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy iray manontolo no tanjona, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka , ny Pr Julio RAKOTONIRINA. Tsy hijanona ao Vatomandry ihany anefa ny toerana hampiarana izany tetikasam-panjakana momba ny tahirim-pirenena hitsinjovana ny fahasalaman’ny daholo be izany, fa ho aparitaka manerana ny nosy.
- Catégorie : Socials
Fiara tsy mataho-dalana miisa 82 no notoloran’ny fitondram-panjakana ny tafika Malagasy omaly. Tetsy amin’ny CAPSAT no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy.
Fiara tsy mataho-dalana dimy karazany, mitontaly 82 hiasa ho an’ny vahoaka Malagasy no nisitrahan’ny tafika Malagasy omaly.
- Catégorie : Socials
Nizara rano tamin’ny «camion-citerne » teny amin’ireo tànana tsy mahazo rano eny Isotry sy 67 Ha ny tomponandraikitra avy amin’ny Jirama omaly.
Efa tao anatin'ny 3 andro izay no tapaka tanteraka ny famatsiana rano ny eny amin’ny faritra Ambodin'Isotry sy 67ha, mahazo an'Ampasika sy Andohatapenaka iny. Ny fahavakisan'ny fantson-drano lehiben'ny Jirama eny Ambodin’Isotry no voalaza fa antony io olana amin'ny famatsiana rano, araka ny fanazavana nomen'ny avy eo anivon'ity orinasa ity. Efa nanomboka ny zoma alina teo ny fanamboarana io fantsona lehibe io, ary noeritreretina ho vita ny sabotsy teo.
- Catégorie : Socials
Ho atsaraina ny fiaraha-miasa amin’ny FNUAP
Tontosa ny zoma 26 jolay teo ny tomban’asa amin’ny fiarahan’ny FNUAP sy ny Governemanta Malagasy, amin’ity taona 2019 ity.
Tanteraka ny faha-26 ny volana jolay teo ny tomban’asa nifanaovan’ny governemanta Malagasy sy ny FNUAP.