Mila fanavaozana ny fitantanana ny sehatry ny fananan-tany. Mila fitsarana mangarahara sy manakaiky vahoaka isika hahatrarana izany. Toromarika no nomeko ireo minisitra amin’izao fihaonambem-pirenena ho an’ny fananan-tany izao fa tsy hisy ny indra-fo, na ho an’ireo izay mpanao risoriso, kolikoly, fanambakana, sy ny tsindry hazo lena,na eo anivon’ny rafim-panjakana, na olom-boafidy, na ireo olona manao izany ho anton’asa.
Haharitra 3 andro ny fihaonana eto Ivato. Ny tanjona dia ny hitadiavana vahaolana maharitra sy mifandraika amin’ireo sakana rehetra manodidina ny fananan-tany ary ny hitondra vokatra azo refesina sy hametraka tetiandro mazava amin’ny fanatanterahana izany.