Nizara rano tamin’ny «camion-citerne » teny amin’ireo tànana tsy mahazo rano eny Isotry sy 67 Ha ny tomponandraikitra avy amin’ny Jirama omaly.
Efa tao anatin'ny 3 andro izay no tapaka tanteraka ny famatsiana rano ny eny amin’ny faritra Ambodin'Isotry sy 67ha, mahazo an'Ampasika sy Andohatapenaka iny. Ny fahavakisan'ny fantson-drano lehiben'ny Jirama eny Ambodin’Isotry no voalaza fa antony io olana amin'ny famatsiana rano, araka ny fanazavana nomen'ny avy eo anivon'ity orinasa ity. Efa nanomboka ny zoma alina teo ny fanamboarana io fantsona lehibe io, ary noeritreretina ho vita ny sabotsy teo.
Omaly tolakandro, niroso tamin'ny famatsian-drano ny mponina tamin'ny alalan'ny camion citerne ny Jirama sy ny ministeran'ny Angovo sy ny rano ary ny akoranafo. Fiaraha-miasa natao niaraka tamin'ny "sapeurs pompiers" sampana mpamonjy voina, ny BNGRC sy ny ministeran'ny fiarovam-pirenena no nahavitana izany. Mbola eo am-panamboarana io fantsona simba io moa ny teknisiana, amin’izao fotoana izao.
Andoniaina MARTINA