Niato nanomboka omaly ny fihetsiketsehin’ireo mpivarotr’Anosibe manohitra ilay fananganana tsena vaovao. Ahiana mantsy ny fisian’ny mpanararaotra ny hetsika.
Misy ireo mpampiasa ny toerana fiantsonan’ny fiara eo amin’ny tsenan’Anosibe no efa nampiditra ny fiarany amin’ny faritra nofefen’ny kaomina hanamboarana tsena vaovao. Mandeha ihany koa ny feo fa misy ireo andian’olona mikasa ny handrava an-keriny ny ampahany amin’ny fotodrafitr’asa efa voatsangana na dia mbola tsy nahenoina valiteny aza ny kaomina mahakasika ny fitakian’ny mpivarotra. Nilaza anefa ireo mpivarotra fa tsy ny mpivarotra velively no mikasa hanao io fandravana an-keriny araka ny feo mandeha io. Nanapa-kevitra ny hampiato ny fitokonana mandritra ny fotoana tsy voafetra noho izany ireo mpivarotra eto Anosibe hialana amin’ny fisian’ny mpanararaotra ny hetsika hataon’izy ireo. Hiverina hanao fihetsiketsehina kosa indray anefa ireo mpivarotra raha toa ka misy ny fikasan’ny kaomina hanohy ny asa fanambaorana izay efa natsahatry ny prefektioran’Antananarivo.
Ankoatra ny olan’ny toeram-piantsonana eny Anosibe, nitaraina amin’ny antsojay ataon’ny kaomina ihany koa ny mpitantana ny toeram-pivoahana hoan’ny daholobe ao anatin’ny tsena. Nakaton’ny kaomina noho ny antony tsy fantatra ity toeram-pivoahana be ity. Araka ny fantatra dia nomen’ny kaomina fikambanana hafa ny fitantanana ny toerena na dia mbola tsy tapitra aza ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny kaomina sy ny mpitantana izany teo aloha.
Rado RAMANANJATOVO