Dingana goavana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa goavana Tanamasoandro no vita teto Abu Dahbi. Nandritra ny fihaonako tamin’ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny vondrona AL JABER, Obaid Khaleefa Jaber Al Murri dia vita ny fifanarahana fa ity vondrona matanjaka sy fanta-daza manerantany ity;

izay nanangana ireo fotodrafitrasan'ny tanan'i Dubai sy Abu Dhabi no hiara-dalana amintsika hanangana ny Tanamasoandro.

 

Hanome asa ny vahoaka Malagasy ny fanatanterahana ny tetikasa ary nifanekena fa ny 60% an’ireo akora sy fitaovana ho ampiasaina dia ho vokarina any Madagasikara avokoa.

 

Vita sonia nandritra ny fihaonana ny "mémorandum d’entente » teo amin’ny Madagasikara sy ny vondronaa AL JABER ary ny « One World Impact Capital »

 

Vonona i Madagasikara hiroso amin'ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny fitantanana ny raharaham-panjakana. Miroso hatrany isika ary ny tanjona dia hanana karapanondro nomerika avokoa ny Malagasy tsirairay hahafahany misitraka ny zo maha olom-pirenena azy.

 

 Vonona hiara-hiasa amintsika amin’izany ny ny Federasiaona Arabo hoan'ny toe-karena nomerika izay notarihin'ny Dr Ali M. Al-Khouri nihaona tamiko teto Dubai. Isan’ireo sehatra ho voakasik’izany ihany koa ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fambolena, fa indrindra ny fitantanana ny fananan-tany mba hadio sy mangarahara ary lavitry ny kolikoly.

 

Resy lahatra ny tenako fa ny firosoana amin'ny ekonomia nomerika no lalan-tokana hanatrarana ny tena fampandrosoana