Politiques

Hafaliana ho ahy ny nandraisako ny delegasiona avy amin’ny Emirats Arabes Unis izay notarihan’ny Sheikh Shakhboot BIn Nahyan Al Nahyan, minisitry ny raharaham-bahiny sy ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena.
 
Tohin’ny diako tany Dubaï sy Abu Dhabi tamin’ny volana may teo izao fihaonana androany izao.
Nahaliana azy ireo ny tantaran’ny firenentsika ary resy lahatra izy ireo fa firenena manan-karena i Madagasikara. Nanamafy ny fahavononany izy ireo amin’ny fametrahana ny « zone économique » eto amintsika sy ny fanamboarana ny Tanamasoandro.
 
Naneho ihany koa ny faniriany ny hiara-hiasa amintsika amin’ny sehatry ny fizahantany, ny angovo ary koa ny fambolena sy ny fiompiana. Noho izany dia vonona izy ireo ny hiara-dalana amintsika ho amin’ny fampandrosoana ka hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.
Voarain’ny Fitsarana Tampony androany ny fianianan’ny Tale Jeneralin’ny ARAI na ny sampanasa misahana ny fakana sy fanagejana ireo fananana azo amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Miarahaba sy mirary soa ho azy ny tenako amin’ny asa sy ny adidy lehibe ho sahaniny.
Dingana lehibe amin’ny famongorana ny kolikoly ny nametrahantsika ny ARAI izay tsy sahin’ireo mpitondra teo aloha napetraka hatrizay. Tsy ho vitan’ny hoe hisazy fotsiny ireo manodikondina volam-bahoaka fa hotakiana aminy ary honerany ireo izay rehetra nalainy tamin’ny tsy ara-dalàna.
Manohana an’i Madagasikara ary mankasitraka manokana ny ezaka ataontsika amin’ny ady amin’ny kolikoly ny sampandraharaha Amerikana Millennium Challenge Corporation - MCC - MCC , izay mamatsy vola ireo firenena mamiratra amin’ny fahaiza-mitantana ara-politika sy manao ny ezaka ho an’ny fampiroboroboana ny toe-kareny.

Raha mbola teo am-piatrehana ny krizy ara-pahasalamana naharitra roa taona, krizy namely an’izao tontolo izao ary nampitondra faisana hatramin’ireo firenen-dehibe i Madagasikara dia efa nianjadian’ireo loza voajanahary sy ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetry ny andro ihany koa.