Socials

 
Mba ho toa ny « Mandela Day », fankalazana ny tsingerin-taona nahaterahan’i Nelson Mandela ny andro rehetra, hitondrana fanantenana hoan’ny manodidina, io no foto-kevitra nentin’ny masoivohon’i Afrika Atsimo nanamarika ny andro omaly. Natao hanentanana ny mpiara-belona ihany koa ka niara-dia tamin’izy ireo nizara fanampiana toa ny akanjo, sakafo ary fitaovam-pianarana ho an’ireo ankizy sahirana sy ny toerana fitaizana azy ireo sy ireo zaza kamboty tetsy Nanisana, ary hoan’ireo vehivavy voafonja etsy Antanimora ny masoivohon’i Afrika Atsimo.

Vahoaka analik'isa no tonga nitsena ny Barean'i Madagasikara teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny sabotsy teo. Adim-pamataran'andro maro vao tafavoaka teny amin'ny kianjaben'ny Mahamasina ny Barea.

La Secrétaire Générale du gouvernement, Madame Rondro Lucette Razanadrainiarison, a effectué le 10 juillet 2019 une visite d’une station de distribution d’eau potable sise à Amoron’Akona By-Pass, pour y constater de visu les avancements des travaux de construction, qui s’exécutent sous la tutelle du ministère de l’Energie, de l’Eau et des Hydrocarbures, et en collaboration avec la Jirama.

Hamolavola lalàna ahafahana mametraka ho laharam-pahamehana ny fandrasaina anjaran’ireo orinasa amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ny fampandrosoana maharitra ny minisitera ny indostria, raha ny tatitra nataony omaly. Maro amin’ireo orinasa eto Madagasikara mantsy no tsy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy akory na dia voafaritra ao anatin’ny bokin’andraikitry ny orinasa aza ny tokony hanatanterahina izany.

Natokana ho andro iraisam-pirenena amin’ny fampihenana ny fampiasana ny harona plastika sy ireo akora plastika samihafa ny andron’ny 03 jolay. Raha ny eto amintsika no jerena, betsaka ireo mbola mampiasa akora plastika sy manary izany eny rehetra eny, ka zary manimba ny tontolo iainana. Anisan’ny mandoto ny tontolo iainana tokoa ny fampiasana ny akora plastika satria tsy mety levonina toy ny akora hafa izy ireny.

113 ireo tranga na pesta teto Madagasikara ny 1 aogositra 2018 ka hatramin’ny volana mai 2019. Raha tsiahivina, nahatratra aman’arivony ireo tranga na pesta ny taona 2017 nandritra ny fotona nampirongatra ny valan’aretina pesta ny taona 2017.