Tohin’ny diako tany Dubaï sy Abu Dhabi tamin’ny volana may teo izao fihaonana androany izao. Nahaliana azy ireo ny tantaran’ny firenentsika ary resy lahatra izy ireo fa firenena manan-karena i Madagasikara toa ny eo amin’ny sehatry ny fizahantany, ny angovo na koa ny fambolena sy ny fiompiana. Noho izany dia vonona izy ireo ny hiara-dalana amintsika ho amin’ny fampandrosoana ka hanamafy ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta.