Miroso hatrany isika ary ny tanjona dia hanana karapanondro nomerika avokoa ny Malagasy tsirairay hahafahany misitraka ny zo maha olom-pirenena azy. Vonona hiara-hiasa amintsika amin’izany ny ny Federasiaona Arabo hoan'ny toe-karena nomerika izay notarihin'ny Dr Ali M. Al-Khouri nihaona tamiko teto Dubai. Isan’ireo sehatra ho voakasik’izany ihany koa ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fambolena, fa indrindra ny fitantanana ny fananan-tany mba hadio sy mangarahara ary lavitry ny kolikoly.

Resy lahatra ny tenako fa ny firosoana amin'ny ekonomia nomerika no lalan-tokana hanatrarana ny tena fampandrosoana