Socials
- Catégorie : Socials
Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra, ny 22 mey 2019, izay filankevitry ny minisitra voalohany ivelan’Antananarivo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa olona miisa 1.500.000 no hahazo rano fisotro madio mialoha ny faran’ny taona 2019 ary vola mitentina 56 tapitrisa ariary no tetibola entina amin’izany.
- Catégorie : Socials
Miroso amin’ny fanatsarana ny fomba fitanana vonjimaika ireo olona hanaovana famotorana ny polisim-pirenena. Ka taorian’ny fifanarahana nifanaovan’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka Malagasy sy ny « Association pour la Prévention de la Torture » (APT) any Genève misahana ny ady amin’ny fampijaliana ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa dia nametraka fomba fiasa vaovao ny polisim-pirenena nanomboka ny 13 mey teo.
- Catégorie : Socials
Ny andron'ny 8 mey no natokana ho andro iraisam-pirenena ho an'ny Vokovoko mena. Raha ny teto Madagasikara, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nankalazana izany. Nanome voninahitra ny fankalazana ny vadin'ny Praiministra, Ramatoa Lea Ntsay, nisolo tena ny vadin'ny Filohampirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina izay Filoha am-boninahitry ny Vokovoko mena malagasy. Niantso ny Malagasy rehetra noho izany Ramatoa Mialy Rajoelina tamin'ny hafatra nampitondrainy ny vadin'ny Praiministra mba hifanome tànana amin'ny Vokovoko mena malagasy amin'ny fanasoavana ny mpiara-belona.
- Catégorie : Socials
« J'ai mis un point d'honneur à équiper l'Armée malagasy de matériels aux normes afin qu'elle puisse exercer efficacement son devoir : celui de protéger le peuple et servir la Nation. Nous devons être fier des efforts accomplis par notre armées », a déclaré le Président de la République le 05 mai 2019. Le Président de la République, Chef Suprême des Forces Armées, s'est en effet rendu au quartier général du « Bataillon Interarmes de l'Armée » malagasy à Ihosy (BIA) pour assister à la cérémonie de déploiement.
- Catégorie : Socials
Fanapahan-kevitra manan-danja manatsara ny tontolon'ny asa izay no noraisina ny 30 aprily tao Ambohitsorohitra. Nasehon'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina fa zava-dehibe ho an'ny fitondrana tarihiny ny fanatsarana ny toe-karena sy ny fanomezana vahana ny taozava-baventy sy ireo orinasa Malagasy ary koa ny hitsinjovana ireo mpiasa. Hiakatra ho 200.000 Ar. ny karama farany ambany amin'ireo orinasa tsy miankina rehetra. Napetraka ihany koa ny fepetra hiarovana ireo orinasa sy ny famokarana ho tambin'izany fiakaran'ny karama izany. Mikasika ireo mpiasa mandray karama mihoatry ny 200.000ar kosa dia niantso ny ho amin'ny fifampidinihana milamina eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ny sendika.
- Catégorie : Socials
Mialy Rajoelina, Présidente fondatrice de l’Association Fitia mais également Première dame malagasy a été nommée ambassadrice du Fond des nations unies pour la Population ou FNUAP contre les violences basées sur le genre, communément connues sous le sigle de VBG. Sa nomination dans cette mission ô combien importante fait la fierté de tous les malagasy et de tout le continent africain.