Art et culture

 Hiverina eto an-tanindrazana tsy ho ela, ho tahirim-bakom-pirenena ireo vakoka mitahiry ny tantarantsika, izay natao lavanty tany Londres androany tolakandro. "Hatrany am-panombohany ka hatrany am-piafarany no nanarahako ireo tombam-bidy sy adivarotra, ary an-kafaliana no izarako eto fa nandray anjara sy nandresy tamin’izany ny fanjakana Malagasy. Mifanindran-dalana amin’ny fitiavako manokana ny tantaran’ity firenentsika ity sy ny fitiavana sy finiavako hamela lova ho an’ireo taranaka dimby sy fara" hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Lavanty izay nahitana ny akanjo volorin’ny printsesy RAMASINDRAZANA, nenitoan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III. Natao lavanty tao ihany koa ireo sary sy soratanan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III sy ny Praiminisitra RAINILAIARIVONY miampy ireo kojakoja manokana fampiasan’ny Mpanjakavavy RANAVALONA III.

Mampikambana ny fiangonana rehetra maneran-tany ho iray ny Papa ray Masina.
Ny papa ray Masina no atao hoe dimbin’i Masindahy Piera Apostoly, raha eo amin’ny finoana katolika. Ny papa ihany koa no evekan’ny diosezin’I Roma no sady filoham-panjakana ao Roma renivohitr’Italia.

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny La City Ivandry ny “City Art”, sehatra ivelaran’ireo hetsika ara-kolotoraly eto Madagasikara.
Olana sedrain’ireo malagasy maro manan-talenta manerana ny nosy ny tsy fisian’ny sehatra hahafahan’izy ireo maneho ny kantony. Tsy mbola mahasahana ny ivon-toerana hampafantarana ireo mpanakanto eto Madagasikara ny isan’ireo sehatra ara-kolotoraly misy eto an-toerana.

Voatendry ho eveka mpanampin’ny diosezin’Antananarivo ny Monsegnera Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA. Tetsy amin’ny Kianjaben’ny Mahamasina no namamasinan’ireo Eveka azy omaly.

Volana jona, volan’ny teny malagasy. Antony nokarakaran’ny blaogin’I Voniary ny hetsika “Teny Gasy 2.0” teny amin’ny IKM Antsahavola omaly izany. “Ny teny malagasy any amin’ny aterineto”: io no lohahevitra noraisina tamin’ity andiany voalohany ity.

Hanomboka rahampitso manoloana ny tsangambaton-dRalaimongo etsy Analakely ny Podium karakarain'ny avy eo anivon'ny fiadidiana ny repoblika entina hanamarihana ny fetim-pirenena. haharitra 5 andro ny hetsika ary mpanakanto maro no hifandimby hiseho sehatra eny mandritra izany.