Isaorako etoana ihany koa ianareo mpanohana ny Barea tonga marobe tao Mahamasina nanohana hatramin'ny fiafaran'ny lalao. Noporofoinareo ny fahatokisanareo fa indrindra ny fitiavanareo ny Barea.
Ny vokatra azontsika tsy ataontsika mahakivy satria mbola misy ny lalao maromaro ahafahana manarina sy manatsara ireo lesoka. Ny lalao manaraka dia hatao ny 19 septambra eto Madagasikara.
Ny fitondram-panjakana dia vonona mandrakariva hanohana sy hanampy ny Barea sy ny fanatanjahantena Malagasy.
Misaotra Barea!