Faits divers

Nidoboka am-ponja ny alahady 10 Janoary 2021 ireo olona 8 tafiditra tamin'ilay raharaha fanondranana an-tsokosoko volamena milanja 73, 5kg tratra tany Afrika Atsimo ny fiandohana taona teo. Naharitra 2 andro mahery ny Famotorana natao teny anivon'ny PAC. Araka ny fampitam-baovaon'ny Ministeran'ny Fitsarana dia nanomboka ny zoma tolakandro ny fanadihadiana natao tamin’izireo ary ny maraina ny sabotsy hifoha alahady efa tamin'ny 3 ora sy sasany maraina vao vita izany.

Renim-pianakaviana iray no naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ny 23 novambra 2020 noho ny fisolokiana nataony tamin’ny fikambanana tsy miankina mpanao asa soa iray any ivelany sy eto Madagasikara. Mbola karohina kosa ny renim-pianakaviana iray izay ati-doha nikotrika ity fandikan-dalàna ity araka ny loharanom-baovao mari-pototra azon’ny mpanao gazetinay.

Trano manodidina ny 200 tafo eo no tadiavin’ny mpanam-bola iray no ravaina, efa hitovy tantana amin’ny ahavaon’ny tranon’ny mponina ny tany anotorana ny toerana.
Mbola tsy tonga ny fahavaratra dia efa dibo-drano sahady ireto mponina eto amin’ny fokontany Ankorondrano Andrefana ireto, amin’izao fotoana izao.

Finday tsy ara-dalàna maherin’ny arivo isa no nopotehina teny Alarobia ny 01 Aogositra 2019, taorian’ny fanamarinana izay natao nohon’ny tsy fananana ny kaody IMEI.
Araka ny didim-pitondrana laharana 890/2018 nivoaka ny volana janoary 2018 dia tsy azo atao intsony ny mampiditra finday tsy manara-dalàna, izany hoe finday tsy manana kaody IMEI eto Madagasikara ary tsy azo ampiasaina amin’ny tambanjotra ihany koa izany nanomboka ny 30 jona 2019 ho fampiarana ny lalàna.

Naato ny fanamboaran’ny kaomina tsena eo amin’ny toby fiantsonan’ny fiara eo amin’ny tsenan’Anosibe, ho fitandroana ny filaminam-bahoaka. Nanome 48 ora ny kaomina ny mpivarotra handravana io fananganana tsena vaovao io.

Hatomboka amin’ity taona ity ny fananganana fonja vaovao, araka ny nolazain'ny Praiministra. Ankoatra izay, nanome toromarika ihany koa ny lehiben'ny Governemanta mba hanafainganana ny fitsarana ireo miandry izany any am-ponja ary hamafisina ny fampitaovana.