Fiara tsy mataho-dalana miisa 82 no notoloran’ny fitondram-panjakana ny tafika Malagasy omaly. Tetsy amin’ny CAPSAT no nanolorana izany tamin’ny fomba ofisialy.
Fiara tsy mataho-dalana dimy karazany, mitontaly 82 hiasa ho an’ny vahoaka Malagasy no nisitrahan’ny tafika Malagasy omaly. Ny valo amin’izy ireto dia irony antsoina hoe “Blindé” irony. Manara-penitra, ary misy GPS. Noho izany, ho entitra ny fanajàna sy ny fanaraha-maso ireo fitaovana vaovaon’ny tafika Malagasy ireo. Haparitaka amin’ireo Zone Rurale Prioritaire de Sécurité na ZRPS ireo fiara ireo, izay toerana saro-dàlana, araka ny nambaran’ny minisitra. Misy kosa ireo tsy maintsy hijanona eto Antananarivo, handray ny Papa Ray Masina amin’ny volana septambra ho avy izao. Tsy maintsy hipetraka ny fandriam-pahalemana araka ny nambaran’ny minisitra hatrany. Feno ny fepetra hanatrarana ny tanjona napetraka amin’izao fitondrana izao, dia ny hiaro ny vahoaka sy ny fananany amin’ireo faritra rehetra, eny hatrany ambanin’ny ravinkazo.
Nanambaran’ny minisitra nandritra izany ihany koa fa nampiakarina 5500 Ariary ny sakafon’ny miaramila, ary hisy tambin-karama manokana ho an’ireo mpamita iraka amin’ireo faritra ambanivohitra vaindohan-draharaha amin’ny fampandrian-tany.
 
Sahy SYLVAIN