Natomboka tany Vatomandry ny tetikasam-panjakana tahirim-pirenena, tahiry handoavana 9000 Ar isan’olona afahana mitsabo tena maimaim-poana mandritra ny heritaona.
 
Ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny vahoaka malagasy iray manontolo no tanjona, raha ny nambaran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka , ny Pr Julio RAKOTONIRINA. Tsy hijanona ao Vatomandry ihany anefa ny toerana hampiarana izany tetikasam-panjakana momba ny tahirim-pirenena hitsinjovana ny fahasalaman’ny daholo be izany, fa ho aparitaka manerana ny nosy.
Ho entitra ihany koa ny minisitra tomponandraikitra amin’ny tokony ho fahamendrehan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fandraisana ireo marary ahafahana mampizotra am-pilamaninana ny tetik’asa. Nisy ny fihaonana notanterahiny tamin’ireo mpiasan’ny fahasalamana tany amin’ny hopitalin’ny Vatomandry nandritra ny atrikasa natao tany an-toerana. Nambarany fa azon’ireo marary atao ny mametraka fitarainana mivantana raha mahatsikaritra tsy fahatomombanana amin’ny fandraisan’ny mpiasan’ny fahasalamana azy ireo.
Nitsidika ny hopitaly teto Vatomandry ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka nijery akaiky ny zava-nisy tany an-toerana nandritra ny fidinanana nataony tany Vatomandry.
 
Rado RAMANANJATOVO