Ny tantaram-piainan’i Jorge Mario Bergiglio na ny Pape François
Jorge Mario Bergoglio no tena anaran’i Pape François. Teraka ny 17 décembre 1936 tao Buenos Aires Argentine izy. Mario Josè Bergoglio no anaran’ny rainy ary Régina Maria Sivori no anaran’ny reniny, izy ireo izay samy zanaka mpitsao-ponenana Italiana avokoa. Mpahay simia I Jorge Mario Bergoglio talohan’ny nidirany tao amin’ny semineran’ny Villa devote sy nidirany ho noviciat tao amin’ny mpanara-dia an’I jesoa na ny jezoita ny 11 martsa 1958.
Nohamasinina ho pretra izy ny 13 décembre 1969 ary notendrena ho pretra provinsialin’ny fikambanan’I Jesoa tao Argentina ny 31 jolay 1973. Isan’ireo olona tena akaiky ny cardinal Antonio Quarracino izy nandritra ny fitantanan’ity kardinaly ity ny diosezin’I Buenos Aires. Ny 20 mai 1992 notendren’ny Pape joany paoly faha 2 ho evekan’I Auca tao Argentine I Jorge Mario Bergoglio ary ho eveka mpanampin’I Buenos Aires. Ny 3 jona 1997 notendrena ho archevêque coadjuteur an’I Buenos Aires ny tenany. Sivy volana taorian’io fanendrena azy io, nodimandry ny kardinaly Quarracino ka nandimdy azy Jorge Mario Bergoglio ny 28 febroary 1997 ary nandray ny toeran’ny archevêque avy hatrany.
 
Nandritra ny consistoire notanterahin’ny Pape joany paoly faharoa ny 21 febroary 2001 notendreny ho kardinalin’I Argentina I Monseniera Jorge Mario Bergoglio. Nandritra io nandraisany ny marika amin’ny maha kardinaly azy io no nanambarany tamin’ireo vahoaka Argentina fa tsy mila hotronona izy. “Raha misy ny vola andehananareo ho any Roma dia omeo ny mahantra sy ny tsy manan-kohanina izany” hoy izy. Rehefa nametra-piala tsy hitarika ny eglizy katolika intsony ny pape Benoit faha-16 ny 11 martsa 2013; niroso tamin’ny fifidianana Pape ireo Kardinaly Katolika maneran-tany ka nananteraka ilay antsoina hoe “conclave”. Ny 13 martsa 2013 izy no voafidy ho pape faha-266 hipetraka eo amin’ny fiketrahana Masina rehefa avy nofidian’ireo kardinaly namany ho amin’izany toerana izany.
 
Ny pape François no pape nitondra ny anarana François hatramin’izany nisian’ny Fiketrahana Masina. Nisafidy ny anarana Francois ny tenany satria nalaina tahaka ny oham-piainana nasehon’I Masindahy François izay tia manetry tena sy mitsinjo ny mahantra.
Ny pape François moa dia ho avy hitsidika an’I Madagasikara ny 6 hatramin’ny 8 septambra ho avy izao.
 
Setra RANDRIANASY