Miroso amin’ny fanatsarana ny fomba fitanana vonjimaika ireo olona hanaovana famotorana ny polisim-pirenena. Ka taorian’ny fifanarahana nifanaovan’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka Malagasy sy ny  « Association pour la Prévention de la Torture » (APT) any Genève misahana ny ady amin’ny fampijaliana ny volana oktobra tamin’ny taon-dasa dia nametraka fomba fiasa vaovao ny polisim-pirenena nanomboka ny 13 mey teo.

Anisan’ny fomba fiasa natsaraina ny fampiasana ny boky fitanana an-tsoratra mikasika ny fitanana vonjimaika na ny « registre de garde à vue ». Efa nampiasaina teo anivon’ny polisim-pirenena ihany io teo aloha saingy  ity vao nasiam-panavaozana ity dia ahitana ireo fihetsika rehetra nataon’ny “officier de police judiciaire” (OPJ) ka ahafahana manara-maso ny fanajana ny zon’ny fiarovana. Araka ny fanazavan’ny Kaomisera Andrianalison Hami, tompon’andraikitra eo anivon’ny “Commissariat central” eto Antananarivo Renivohitra, dia hahafahana misoroka ny mety ho  fanararaotana, na fampijaliana na endrika herisetra hafa hataon’ny mpanao Fanadihadiana ny fisian’io boky io satria hirakitra ny pitsopitson’ny fizotry ny fitanana vonjimaika olona iray.

 

Fanajana ny zon’ny fiarovana

 

Fomba fiasa faharoa napetraka nanomboka ny 13 mey 2019 ihany koa ny fanambarana ireo zon’ny olona hanaovana fanadihadiana. Fomba fiasa vaovao napetraka eto Madagasikara io, araka ny fanazavana ihany. Tsy maintsy mamaky izay voarakitra ato anatin’ity fanambarana ity ny polisy mpanao famotorana mampahafantatra amin’ilay olona ny momba ny zony. Zo izay mifototra amin’ny lalàna fototra telo momba ny fiarovana eto Madagasikara dia ny lalàna 97.036, 2016.018, ary ny 2017.013. Lalàna izay mikasika ny fitondrana amin’ny mahaolona, ny zo tsy hamaly ny fanontanian’ny mpanao famotorana, ny zo ho hatrehan’ny mpisolo vava, ny zo hiantso olona akaiky ilay hanaovana famotorana, ny zo hahazo fitsaboana raha sendra tsy fahasalamana, ny zo hahazo mpandika teny, ny zo afaka hijery ny antontan-taratasy momba ny tranga mahavoarohirohy azy. Tsy maintsy manao sonia io fanambarana io ilay olona hanaovana fanadihadiana hanamarihana fa nampahafantarina azy avokoa ny zony.

Sampandraharaha efatra no nanombohana ny fametrahana ireo fomba fiasa vaovao ireo dia « Service Central des Affaires Criminelles », ny avy amin’ny “Sureté urbaine du Territoire” na SUT eo anivon’ny “Commissariat central” Antananarivo renivohitra, ary ny kaomisarian’ny boriboritany voalohany sy fahaefatra. Haharitra 9 volana ny fanandramana, hasiam-panitsiana araky ny tatitra hita amin’ny mety ho fahasarotana hita miandalana ary haparitaka manerana ny Nosy amin’izay. Hapetraka miaraka amin’ireo fitaovana roa ireo ihany koa ny fanatsarana ny “bon de garde à vue » sy ny « registre de fouille ».

Miarivola Tsiferana