Ny andron'ny 8 mey no natokana ho andro iraisam-pirenena ho an'ny Vokovoko mena. Raha ny teto Madagasikara, teny amin’ny zaridainan’Antaninarenina no nankalazana izany. Nanome voninahitra ny fankalazana ny vadin'ny Praiministra, Ramatoa Lea Ntsay, nisolo tena ny vadin'ny Filohampirenena, Ramatoa Mialy Rajoelina izay Filoha am-boninahitry ny Vokovoko mena malagasy. Niantso ny Malagasy rehetra noho izany Ramatoa Mialy Rajoelina tamin'ny hafatra nampitondrainy ny vadin'ny Praiministra mba hifanome tànana amin'ny Vokovoko mena malagasy amin'ny fanasoavana ny mpiara-belona.
«Fitiavana» no lohahevitra nosafidian'ny Vokovoko mena malagasy tamin'ny fankalazana ity andro iraisam-pirenena ho an'ny «Croix-rouge» sy ny «Croissant-rouge» ity. Fotoana izay hanomezana voninahitra manokana ireo mpikambana sy mpilatsaka an-tsitrapo maherin'ny 13,7 tapitrisa manerantany. Ho antsika eto Madagasikara dia mahatratra 15 000 ny mpilatsaka an-tsitrapo manerana ny Nosy.
Nandritra ity fankalazana ity ihany koa no nanolorana loka ho an'ireo nandray anjara tamin'ny fifaninanana sary sy horonan-tsary famantarana ny Vokovoko mena malagasy. Nisy ihany koa ny fanolorana sakafo teto amin'ny «resto du coeur» ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana.
Marihina fa efa 150 taona no nijoroan'ny «Croix-rouge» manerantany.
Miarivola Tsiferana