Tapaka nandritry ny filankevitry ny minisitra, ny 22 mey 2019, izay filankevitry ny minisitra voalohany ivelan’Antananarivo, araka ny fampahafantarana nataon’ny Fiadidiana ny Repoblika fa olona miisa 1.500.000 no hahazo rano fisotro madio mialoha ny faran’ny taona 2019 ary vola mitentina 56 tapitrisa ariary no tetibola entina amin’izany.
Hahazo ny tombony amin’izany amin’ny alalan’ny fanorenana « stations de captage na forage » ho an’ny faritra atsimo, avaratra ary atsimo atsinanan’ny faritanin’Antananarivo ; fanarenana ny tohodrano eo amin’ny PK7 ary fanoloana sy fanamafisana ny pompe ao Ambodimanga ho an’ny faritanin’i Toamasina, fanorenana tobim-pamokarana rano madio mamokatra 3600m3 isan’andro, fampitomboana ny fanampiana rano DN400 manodidina ny 25 km ary ny fanadiovana ny rano ho an’ny faritanin’i Mahajanga, fanamboarana sy fanorenana toeram-pamokarana rano voadio 500m3, fametrahana groupes életrogènes 630KVA ho an’i Toamasina. Fametrahana lavadrano hahafahana mamokatra rano 6000m3 isan’andro ary fanoloana ireo fantsona fitsinjaran-drano ho an’ny faritan’i Toliara.
Distrika 16 no ho voakasik’ity tetikasam-pamantsiana rano fisotro madio ity toy ny any Mitsinjo, Ambalavao, Ambanja, Ambato-Boeny, Ambatolampy, Ambilobe, Antalaha, Belo-sur-Tsiribihina, Mahabo, Mahanoro, Mananjary, Marovoay, Moramanga, Nosy-Be, Sainte-Marie ary Vohémar.
Mbola mitombo ny asa fanentanana ireo mpamatsy vola amin’ny fijerena manokana ny famatsiam-bola mikasika ny famatsiana rano fisotro madio izay mbola ny 13,53% ny malagasy no misitraka azy ankehitriny .