Fanapahan-kevitra manan-danja manatsara ny tontolon'ny asa izay no noraisina ny 30 aprily tao Ambohitsorohitra. Nasehon'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina fa zava-dehibe ho an'ny fitondrana tarihiny ny fanatsarana ny toe-karena sy ny fanomezana vahana ny taozava-baventy sy ireo orinasa Malagasy ary koa ny hitsinjovana ireo mpiasa. Hiakatra ho 200.000 Ar. ny karama farany ambany amin'ireo orinasa tsy miankina rehetra. Napetraka ihany koa ny fepetra hiarovana ireo orinasa sy ny famokarana ho tambin'izany fiakaran'ny karama izany. Mikasika ireo mpiasa mandray karama mihoatry ny 200.000ar kosa dia niantso ny ho amin'ny fifampidinihana milamina eo amin'ny mpiasa sy ny mpampiasa ny sendika.
Noraisin’ny Filoha tao Ambohitsorohitra ireo vondrona mpampiasa sy ireo sendika nidinika niaraka taminy, nahitana ny GEM, ny GEFP, ny SIM, ny FIVMPAMA ary ireo sendika toa ny CTM sy ny FISEMARE, ny FISEMA ary ny SERAMA.
Ireo rehetra ireo dia samy nankasitraka ny fisokafan'ny filoha amin'ny ady hevitra nahafahana nandray io fepetra io izay sady mitsinjo ny mpiasa no nametraka ny fomba tsy hahafaty antoka ny orinasa.
Marihina fa anatin'ny velirano efa napetraky ny filohan'ny Repoblika ny fanomezana vahana ny orinasa Malagasy, na ireo mpanao taozava-baventy izany na ireo orinasa madinika sy salasalany koa nanome fahafaham-po ireo fangatahan'ny orinasa ireo iny fihaonana tamin’ny 30 aprily iny.
Judicaël Randrianirina