Sport

Atleta Malagasy 191, andiany faharoa tamin’ireo niatrika ny lalaon’ny Nosy, no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny tolakandron’ny 29 jolay 2019.
Nikoritsana tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo medaly norombahan’ireo atleta Malagasy tamin’ny lalaon’ny Nosy, rehefa nigadona teto an-tanindrazana omaly.

Hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny CHAN na ny Championnat d’ Afrique des Nations ny ekipa faharoan’ny BAREAN’i Madagasikara ny alahady ho avy izao, eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Mozambique izy ireo.

Hanomboka ny zoma faha 19 ny volana jolay ho avy izao ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 28 jolay ny lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-10, atao atsy amin’ny nosy Maurice. Amin’ireo taranja 14 mandritra ny fifaninana, taranja 12 no ananan-tsika mpisolon-tena hiaro ny voninahim-pirenena.

Hanomboka anio alarobia ny dingana ampavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Amin’ny andro faharoa, izany hoe ny alakamisy ny Barean’i Madagasikara vao hiakatra kianja ary ny ekipam-pirenen’i Tunisie no hifanandrina aminy.

Andro lehibe tsy ho voafafa eo amin’ny tantaran’i Madagasikara fa tsy eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena fotsiny ny 30 jona 2019. Zary fantatr’izao tontolo izao bebe kokoa i Madagasikara. Firenena sambany vao nandray anjara amina fifaninana goavana kanefa nandavo andrarezina iray, tafiakatra amin’ny dingan’ny 1/8n –dalana isika taorian’iny Fandresena 2 - 0 tamin’I Nigéria iny.

Nanamarika ny andron'ny alahady teo ihany koa ny fandraisan’ireo Malagasy monina eto an-toerana, ireo mpanohana, havan’ireo mpilalao azy ireo tao amin’ny hotely Hilton Alexandrie omaly ary indrindra ny fiarahabana nataon’ny Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, an’ireo mpilalao mahery fo ny BAREA DE MADAGASCAR.