Andro lehibe tsy ho voafafa eo amin’ny tantaran’i Madagasikara fa tsy eo amin’ny tantaran’ny baolina kitra sy ny fanatanjahan-tena fotsiny ny 30 jona 2019. Zary fantatr’izao tontolo izao bebe kokoa i Madagasikara. Firenena sambany vao nandray anjara amina fifaninana goavana kanefa nandavo andrarezina iray, tafiakatra amin’ny dingan’ny 1/8n –dalana isika taorian’iny Fandresena 2 - 0 tamin’I Nigéria iny.
Ilay ekipa goavana eto Afrika, efa nibata in-telo an’ity CAN ity no lavon’ny barean’i madagasiakra omaly teo amin’ny kianjan’i Alexandria, any Egypta. Tsy vitan’ny hoe: ekipa goavana i Nigéria izay resintsika 2 – 0 iny, fa firenena efa manana ny tantarany manokana sy ny mampiavaka azy mihitsy eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra, isan’ireo institution an’ny football eto Afrika i Nigéria. Tsy nampoizin’ny maro iny Fandresena iny satria noheverina fa mbola isan’ireo ekipa tsy dia ho lasa alavitra loatra ny Malagasy tao amin’ity vondrona B misy azy ity kanefa dia izao nandiso ny kajikajy rehetra izao.
Manoloana an’i Super Egeals nigérianne sy ny Syli nationale an’i Guinée mantsy izay manana mpilalao matihanina any amin’ireo ekipa diviziona voalohany any europa dia azo isaina amin’ny ratsan-tanana ilany ny mpilalaontsika no mikaràma vola be sy milalao amin’ny ekipa avy amin’ny diviziona elita tahaka ny ankamaroan’ny mpilalao amin’ny firenena roa notanisaina ireo. Noporofoin’ny Barea anefa fa rehefa atao am-pitiavana sy amin’ny finiavana lehibe, miampy fahavonana, fa indrindra amin’ny fitiavan-tanindrazana ny fiarovana ny voninahim-pirenena dia tsy maintsy vita izany.
Manan-tantara iny Fandresena iny satria tsy nitsanga-menatra i Madagasiakra tamin’ity fifaninana goavana jeren’izao tontolo izao ity. Irariana hatrany ny hahatongavan’ny Barea amin’ny fara –tampony, eny, hatramin’ny fibatàna ny amboarana mihtsy aza saingy tsy isalasalana kosa ny manambara fa na inona na inona zavatra hitrangàna dia mendrika ny homem-boninahitra sahady ireo maherifontsika ireo. … Raha iverenana ny lalao dia niova kely ny paik’ady nasehon’ny Barean’i Madagasikara, lasa nanenjika ny baolina teny an-tongotry ny mpifanandrina ry Faneva Ima sy ry Carolus raha tsy nanao izany mihitsy teo aloha fa somary niandriandry, nahomby ity paikady ity ka nahazoana ny baolina voalohany rehefa tratran’ ny pressing ilay vodilaharan’i Nigéria Ekong ka voatsorikan’i Bolida ny baolina teny an-tongony ary nahamora ny fampidiram-baolina voalohany teo amin’ny minitra faha 13.
Nanamarika iny lalao iny ihany koa ny organisation défensive an’ny Barea satria sahirana mafy mihtsy ny Nigériana notarihan’i John Obi Mikel sy ry Ighalo tamin’ny fanafihana. Tonga lafatra ny fahaiza-miaraka teo amin’ireo irakiraka telo lahy dia, Marco Ilaimaharitra, Anicet Abel, ary Ibrahim Ahamada sy ny vodilaharana Malagasy. Ny fanodikondinana sy fitazonam-baolina, miampy ny fanafihana mirindra efa nahazatra an’i Barea anefa nety ihany koa ka rehefa nanao hadisoana indray ny Nigériana manoloana ny faritra tsy azo ivalozana teo amin’ny minitra faha 53 dia nampidirin’i Carolus ny baolina faharoa ho antsika tamin’ny alalan’ny coup franc. Iny Fandresena iny no mametraka antsika eo amin’ny laharana voalohany ato amin’ity vondrona B ity ary miandry ny lalao farany izay hamaritra ny laharana faha telo ao amin’ny vondrona A, na D na C no ahafantarana ny mpifanandrina amin’ny Barean’i Madagasikara amin’ny lalao ampahavalon-dalana.
Ny alahady 7 jolay izao ny lalao ampahavalon-dalan’ny Barea ao amin’ny kianjan’i Alexandria ihany. ny Repoblika demokratikan’i Congo, na i Kenya, na i Sénégal, na i Cote d’ivoire, na i Afrique Atsimo no andrasan’ny Barea amin’ny lalao ampahavalon-dalana.
Jay Randriamaro