Sport
- Détails
- Catégorie : Sport
Dibon-kafaliana ny malagasy rehetra taorian’ny fandresena voaohany teo amin’ny tantaran’ny CAN, azon’ny barea omaly raha nifanandrina tamin’i Burundi. Raha ny teto madagasikara, nivoaka teny an-dalambe ny rehetra naneho ny hafaliany taorian’ny lalao. Niavaka ihany koa ny fanohanan’ireo mpanohana tany ivelany.
- Détails
- Catégorie : Sport
Samy efa mahalala angamba isika fa hiatrika ny fiadiana ny tompon-dakan’ny afrika na ny CAN ny ekipam-pirenena malagasy. Fanatanjahan-tena ho hambopom-pirenena no tanjona ary efa azo heverina fa tanteraka izany ankehitriny. Tahaka ny ahoana kosa ary no fandraisan’ny vahoaka Malagasy ny fandraisana anjaran’ny BAREA DE MADAGASCAR amin’ny CAN izany sy ny lalao ho hatrehany?
- Détails
- Catégorie : Sport
Isan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy Senior lehilahy olon-telo miaraka izay hatao any Laussane Suisse amin’ny taona 2020 i Madagasikara. Ny fiadiana ny tompodakan’i Afrika notontosaina tany Lomé Togo ny 13 ka hatramin’ny 16 mey teo no nahazahoantsika ny tapakila ho any amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany.
- Détails
- Catégorie : Sport
- Détails
- Catégorie : Sport
Nanotrona ny fanazaran-tenan’ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar, ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara androany teny amin’ny Stade Saint Pierre, Akamasoa Andralanitra. Nitso-drano ny ekipam-pirenena malagasy ny Filoham-pirenena amin’ny fiatrehana ny fiadiana ny tompon-dakan’i Afrika na ny CAN. Tsy adinon’ny Filoha ihany koa ny nanolotra fanomezana ho azy ireo ka nanolotra lela-vola 700 tapitrisa ariary ho an’ny ekipan’ny BAREA ny fitondram-panjakana malagasy hiatrehana ny CAN.
- Détails
- Catégorie : Sport
Hampita mivantana ireo lalao 52n’ny CAN 2019 ny fahitalavitra Malagasy sy ny Radio nasionaly. Fampanantenan’ny filoham-pirenena nandritra ny ady hevitra tao amin’ny fahitalavitra Malagasy nandritra ny fampielezan-kevitra ny hampisitraka ny Malagasy ireo lalao ireo.