Atleta Malagasy 191, andiany faharoa tamin’ireo niatrika ny lalaon’ny Nosy, no tonga teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny tolakandron’ny 29 jolay 2019.
Nikoritsana tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo medaly norombahan’ireo atleta Malagasy tamin’ny lalaon’ny Nosy, rehefa nigadona teto an-tanindrazana omaly. Medaly volamena, volafotsy, alimo no hita mamirapiraritra eny an-tendan’ireo atleta Malagasy niady ho an’ny voninahim-pirenena tany Maurice, nandritran’ny folo andro. Tonga an-tanindrazana ny 29 jolay tamin’ny telo ora tolakandro ihany koa ny andiany fahatelo amin’ireo mpilalao niatrika ny lalaon’ny Nosy ireo.
 
Tonga ny vokatra, ary tsy nitsanga-menatra i Madagasikara. Hafaliana, fanantenana no hita teny amin’ny tavan’ireo atleta. Anisan’ireo taranja tena namiratra ary nitondra avo ny fanevam-pirenena ny fibatana fonjam-by, niady mafy ho an’ny tanindrazana izy ireo ary hita soritra omaly izany, hoy ny tompon’andraikitra voalohany amin’izany taranja izany.
Tsiahivina fa ankoatran’ny fibatana fonjam-by, isan’ireo taranja nampisandratra avo an’I Madagasikara ihany koa ny taranja lomano, ny baskety lahy sy vavy, ny hazakazaka na ny athlétisme ary ny Rugby. Dingana manaraka hatrehin’ireto atleta Malagasy ireto indray dia lalao afrikanina ny volana aogositra izao any Maroc.
 
Naté RAKOTOMAVO 
Judicael RANDRIANIRINA