Hiatrika ny lalao fifanintsanana amin’ny CHAN na ny Championnat d’ Afrique des Nations ny ekipa faharoan’ny BAREAN’i Madagasikara ny alahady ho avy izao, eo amin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Hifanandrina amin’ny ekipam-pirenen’i Mozambique izy ireo.
Klioba 16 manerana an’i Madagasikara no nitsongaina ireto mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’ny baolina kitra hiatrika ny fifanintsanana amin’ny CHAN na ny championnat d’Afrique des Nations ireto, raha toa ka klioba efatra izany teo aloha, raha ny fanazavan’ny mpanazatra. Mpilalao manana traikefa ary vonona ny hitondra avo ny voninahim-pirenena ihany koa. Anisan’ireo mpilalao niatrika ny CAN farany teo I Baggio, ho azy manokana, traikefa no azo nandritra iny CAN tany Egypta iny, na dia tsy niakatra kianja aza izy. Ampy hiatrehana ny lalao ny alahady izao ny traikefa sy ny fanazaran-tena efa natao, ka ambony hatrany ny tokin’aina.
Ekipa somary vaovao amin’ireo Barea ireo anefa ny ekipam-pirenen’i Mozambika, na izany aza, efa manana ny paik’ady izy ireo hanatanterahana ny lalao ny alahady izao ireo. Etsy ankilany, noho izay fahasahiranana nianjady tamin’ny ekipam-pirenena izay indrindra, tonga nanantona azy ireo nandritra ny fanazaran-tena hitondra fanampiana ireo izay manana anjara toerana teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy. Ao anatin’izany ny lelavola hoenti-manohana ny Barea.
Fanampiana ihany koa, mitaky vokatra tsara avy amin’ireto ekipam-pirenena Malagasy ireto. Manantena ny fanohanan’ny vahoaka Malagasy ny mpilalao ary manentana ihany koa amin’ny alahady ho izao mba hiara-hirona hatrany ny rehetra hanohana ny Barean’i Madagasikara.
Naté RAKOTOMAVO
Njara RANDRIANTSOA