Nanamarika ny andron'ny alahady teo ihany koa ny fandraisan’ireo Malagasy monina eto an-toerana, ireo mpanohana, havan’ireo mpilalao azy ireo tao amin’ny hotely Hilton Alexandrie omaly ary indrindra ny fiarahabana nataon’ny Filohan’i Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina, an’ireo mpilalao mahery fo ny BAREA DE MADAGASCAR.

Nanambara moa ny Filoham-pirenena fa tonga hanatrika ny lalao manaraka izay ho ataon’ny BAREA DE MADAGASCAR ny alahady ho avy izao, mandritrin’ny dingan’ny ampavalon-dalana.