Hanomboka anio alarobia ny dingana ampavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika. Amin’ny andro faharoa, izany hoe ny alakamisy ny Barean’i Madagasikara vao hiakatra kianja ary ny ekipam-pirenen’i Tunisie no hifanandrina aminy.
Ekipa valo sisa no tafajanona amin’izao ampavalon-dalana izao. Ny fifandonana eo amin’ny eo amin’ny Sénégal sy Bénin no hisantatra ny dingana androany amin’ny 7 ora hariva, ora eto an-toerana. Ny sénégal izay nandavo an’i Ounganda, ary i Bénin nandresy an’i Maroc tamin’ny dingan’ny ampavalon-dalana.
Anio Alarobia ihany koa no hiakatra an-kianja ry zareo Nigériana, ary hifanandrina amin’ny Afrika Atsimo. Ekipa roa izay efa nifandona tamin’ny fifanitsanana hiakatra amin’ny CAN 2019.
Hanokatra ny andro faharoan’ny dingan’ny ampahefa-dalana indray kosa ny fifandonana eo amin’ny Cote d’ivoire sy Algérie. Lalao izay maha be resaka, ary apetraky ny mpanaraka baolina kitra ho karazana famaranana kely mihintsy. Efa nihaona tamin’ny ampahefa-dalana toa izao ny roa tonta tamin’ny CAN taona 2015. Hiezaka hanarina ny faharesena tamin’ny Algérie. Ny Algérie izay raha tsiahivina nandavo an’i Guinée tamin’ny isa telo noho aotra, ary i Cote d’ivoire nandresy an’i Mali tamin’ny isa iray noho aotra.
Amarana ny dingan’ny ampaefa-dalana ny fiadiana ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manasadalana eo amin’ny Barean’i Madagasikara, sy ny ekipam-pirenen’i Tunisie. Lalao ho atao ao amin’ny kianjan’i Academie Militaire de Caire, amin’ny 10 ora alina, ora eto an-toerana.
Samy tafiakatra tamin’izao dingana izao tamin’ny “Tir au but” ny roa tonta. Manana tombony kosa ny BAREA izay efa tamin’ny alahady no niakatra kianja raha toa ka afak’omaly ny an’ireo Tunisiana. Iny afak’omaly iny ihany koa ny fandresena voalohany ho an’i Tunisie tamin’ity CAN ity, ary isika Malagasy efa nandresy in-telo tato anatin’ny fifaninana.
Ankotran’izay, efa tonga ao CAIRE avokoa ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny VAR na ny Video Arbitrage, hanamafy ny fangaraharahan’ny lalao. Ny VAR izay nitarika olana be teto Afrika tamin’ny fiadiana ny tompondakan’ny ligin’Afrika tamin’ity taona ity.
Sahy SYLVAIN
Setra RANDRIANASY