Andry RAJOELINA

Maro ireo maherifon'ny firenena lavo sy lasa Maritiora teto. Teto Manakara sy tany Moramanga tokoa manko no nipoaka ny ady tamin'ireo mpanjanaka an'i Madagasikara. Malagasy maro be manerana ny Nosy no nivondrona sy niara-nientana naneho izany fitiava-tanindrazana izany. Tsy nisalasala fa nisotro ny aleoko maty satria i Madagasikara, Tanindrazana malalantsika no ho avotana. 𝗠𝗮𝗵𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗿𝗼 𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗻𝗼𝗺𝗲 𝘃𝗼𝗻𝗶𝗻𝗮𝗵𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗺𝗮𝗵𝗲𝗿𝗶𝗳𝗼𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗶𝘀𝗶𝗸𝗮 𝗮𝗻𝗸𝗲𝗵𝗶𝘁𝗿𝗶𝗻𝘆.

Ny tantara tsy fanadino ary tsy ho avelantsika ho raraka an-tany ny herim-po sy herin-tsaina nananan’ ireo nitolona nanohitra ny fanjanahan-tany. Tsy azo kosehina eo amin’ny tantaran’ny firenena ny andron’ny 29 martsa sy ny tolona niainga teto Manakara. Fanilo miampita amintsika ny fitiavan-tanindrazana nasehon’izy ireo.

𝗜𝗹𝗼 𝘁𝘀𝘆 𝘃𝗲𝗿𝘆, 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝘁𝘆 𝗮𝗼 𝗮𝗺-𝗽𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗻𝗮𝘃𝗼𝘁𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮.

Fifaliana ho ahy ny nandray ny Masoivoho vaovaon’ny Repoblikan’i Algérie, SEM Djaoud Malek izay voatendry hiasa eto Madagasikara.

Nahafahana nidinika niaraka izay ho fanaratsarana ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’i Etazonia sy amin’ireo sampandraharahan’ny Firenena Mikambana momba ny fambolena, ny sakafo ny fihaonako tamin-dRamatoa Cindy McCAIN,

Efa nahazo "VATSY TSINJO" avokoa ny ankamaroan’ireo tokantrano traboina sy marefo rehetra avy amin'ireo Fokontany ao amin'ny Boriboritany faha-4 eto Antananarivo Renivohitra,

Tokantrano miisa 702 avy ao amin'ny fokontanin'i Mandialaza Ambodivona sy Mandialaza Ankadifotsy, izay samy ao amin’ny Boriboritany faha-3 indray no nisitraka ny fanampiana VATSY TSINJO androany teny amin'ny kianja mitafo Besarety.

Tokantrano miisa 1691 avy ao amin’ireo fokontany 23 eo anivon’ny distrikan’i Farafangana indray no nisitraka VATSY TSINJO avy amin’ny Fitondram-panjakana androany.