Andry RAJOELINA

Fotoana fifampizarana ny manta sy ny masaka ihany koa ny fotoan-tsarotra toy izao.

Vary milanja 64 taonina no nalefan’ny fitondram-panjakana io maraina io avy eo amin’ny Port fluvial eto Mahanoro mankany Nosy Varika.

Mitohy hatrany ny fidinana ifotony ataonay mivady. Hitodi-doha any Mahanoro, izay isan’ny voa mafy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza BATSIRAI izahay izao maraina izao.

Mahate-hidera ny firaisankina nasehon’ireto mpianatra eto amin’ny Oniversité Andrainjato Fianarantsoa ireto nandritran’ny fiatrehana ny rivodoza. Nahatratra 500 ireo mpianatra traboina kanefa dia nahay nifanampy sy nifampiantrano tamin’ireo mpianatra hafa tsy voakasika.

Tsy mandry alina, tsy mipetraka atoandro fa mandeha mitety ireo toerana rehetra voa mafy vokatry ny rivodoza izahay raha mbola araky ny ainay. Ilaina ny mijery aty ifotony ny tena manjo ny mponina, ny zava-misy toy izao.

Tao anatin’ny ora valo monja dia vita ny tetezana eto IARINTSENA ao amin’ny lalam-pirenena fahafito eo anelanelan’Ambalavao sy Ihosy