ka ny Fokontany Anosizato Est I no naka ny anjarany androany Talata 15 Martsa tao amin'ny ANS Ampefiloha. Tokantrano miisa 413 no nisitraka izany androany, ary ireto farany dia efa nanana ny karinem-pokontany Manara-penitra vaovao avokoa sy voasoratra anarana teny anivon'ny biraom-pokontany niaviany.

Rahampitso Alarobia dia ny Fokontany Anosizato Est II no hisitraka izany ary hiato kely indray izany ho an'ny Boriboritany faha-4.
Mitohy hatrany kosa ny fizarana any amin'ireo Boriboritany hafa eto an-dRenivohitra.