Nahazo ny anjarany ihany koa, teny amin'ny ANS Ampefiloha, ny tokantrano miisa 1776 tao amin'ny fokontanin' Ivolaniray, ao amin'ny boriboritany faha-4.

Samy ahazo izany fanampiana atolotry ny Fitondram-panjakàna izany avokoa ianareo izay traboina taorian’ireny andro ratsy ireny sy ireo rehetra sahirana. Tsy mifanary isika, indrindra ao anatin’ny sarotra.