Andry RAJOELINA
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Ny mafy sy sedra mianjady aminareo dia maharary ahy. Nohon’ny nandalovan’ny rivodoza EMNATI andro vitsivitsy izao dia miray fo tanteraka aminareo vahoaka any amin’ireo faritra maromaro voa mafy rehetra ny tenako.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Nihaona tamin’ny Filoham-pirenena teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny solontena avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena notarihin-dRamatoa Idah Z.Pswarayi-Riddihough, Talen’ny Fandraharahana eo anivon’izany rafitra izany.
Tetikasa maro no nahazoana fanampiana tamin’ny Banky Iraisam-pirenena mba ho fanohanana ny fampandrosoana an’i Madagasikara indrindra nandritra ny fiatrehana ny valanaretina COVID-19 teto amin’ny firenena. Tsy mijanona hatreo anefa izany fa mbola vonona hatrany ity rafitra ity hanatsara sy hanafaingana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mba hahafahana mitondra fampandrosoana haingana amin’ny sehatra maro. Anisan'izany ny fametrahana fotodrafitrasa, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny fiahiana ny mponina, ny fitaterana, ny fambolena , ary ny mahakasika manokana ny fiarenan-dohan'ny faritra Atsimon’ny Nosy.
Ankoatra izay dia noresahana nandritra izao fihaonana izao ihany koa ireo mety ho lalam-piaraha-miasa ho amin'ity taona 2022 toy ny fanohanana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana eo amin'ny lafiny tontolo iainana sy ny fandrakofana ala indray an'i Madagasikara sy ny fanatanterahana ireo fifanarahana nandritra ny COP26.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Mitohy hatrany ny fanomezana fanampiana ho fitsinjovana ireo Mpiray Tanindrazana izay mbola misedra fahasahiranana taorian’ny fandalovan’ ireo andro ratsy teto amin’ny Nosintsika.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 17 febroary tolakandro ny fihaonana an-tampon’ny vondrona eoropena sy vondrona afrikana andiany faha-6.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
Nahafahako nihaona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny vondrona eoropeana ihany koa ity fihaonana an-tampony eto Bruxelles ity.
- Détails
- Catégorie : Andry RAJOELINA
5000ar isan’andro mandritra ny 20 andro no takalon’ny asa vonjy aina nataon’ireo mponina miara-miasa amin’ny FID amin’ny fanadiovana ny tanana sy ireo lakandrano eto Mahanoro.