Teknisianina avy amin’ny federasionina iraisampirenena eo amin’ny taranja RUGBY miisa 7 no tonga eto amintsika manofana ireo mpitantanana taranja RUGBY malagasy nanomboka ny alakamisy teo.
Fiofanana feno fifanakalozana no hita teo amin’ireto mpanazatra malagasy sy ity mpilalao kalaza ny ekipa nasionaly frantsay ny taona 1997-2007 nitana ny toeran’ny 3em ligne ity.
Ny lafin’ny fampiofanana ny mpanazatra no andraikitra sahanina amin’izao fampiofanana hampanaovin’ny federasionina iraisam-pirenena izao. Ho an’ny Olivier MAGNE hitany manana ho avy tsara ny rugby malagasy
.
Faly aho afaka mifampizara izay kely haiko eo amin'ny tontolon'ny baolina lavalava. Ary hitako fa mangetaheta fivoharana ireo mpilalao sy teknisianina ary mpanazatra malagasy ka mendrika ampiana. Eo amin'ny fanaovana fanazaran-tena no ahitsy kely, ny fihaovana amin'ny ekipa hafa matetika no tsy ampy kanefa tena ilaina amin'ny fampivoharana ny ahavo teknika izany. Manana finiavana ny malagasy ary mila tohizana izany.
Teto amin’ity fampiofanana ny mpanazatra ity, nahita zava-baovao azo notsapain-tanana ireo mpanazatra malagasy azo avy amin’ity teratany frantsay ity.
Tsy natao ho an’y mpanazatra fotsiny ihany ity fiofanana netin’ny federasionina iraisam-pirenena ity fa misandrahaka amin’ny lafin-javatra maro.
Maro ireo fiofanana niarahanay tamin'ny federasiona malagasin'ny rugby tamin'ity herinandro ity. Teo ny fiofanana teo amin'ny lafin'ny fitsaboana sy vonjy taitra tokony hatao, teo ihany koa ny niarahana tamin'ireo mpilalao vehivavy sy ny fomba fampianarana ireo ankizy amin'ny baolina lavalava.
Ny Alarobia ho avy izao vao hifarana raha ity fiofanana ho an’ny mpintantana ny taranja Rugby mizotra eto amin’ny kianja MAKI andohotapenaka ity. Lesoka hitan’ireto teknisianina vahiny ireto amin’ny mpilalao rugby malagasy ny vatana. Vatana kely no hananantsika nefa mifanohitra amin’izay no takiana amin’ny taranja Rugby, na izany aza efa mipetraka ilay fahaizana RUGBY ho an’ny mpilalao malagasy.
Felana RAKOTOARISOLO
Anjara RAJAONARIVELO