Samy efa mahalala angamba isika fa hiatrika ny fiadiana ny tompon-dakan’ny afrika na ny CAN ny ekipam-pirenena malagasy. Fanatanjahan-tena ho hambopom-pirenena no tanjona ary efa azo heverina fa tanteraka izany ankehitriny. Tahaka ny ahoana kosa ary no fandraisan’ny vahoaka Malagasy ny fandraisana anjaran’ny BAREA DE MADAGASCAR amin’ny CAN izany sy ny lalao ho hatrehany?
Ny sabotsy 22 jiona izao no lalao voalohany ho hatrehan’ny BAREA DE MADAGASCAR amin’ny CAN na ny fiadiana ny tompon-daka afrikanina ny baolina kitra. Lalao izay hifanandrinany amin’I Guinée ao amin’ny vondrona B. Efa miandry fatratra an’io lalao io avokoa ny vahoaka Malagasy. Ambony raha ny fanantenan’ny Malagasy ho an’ny ekipam-pireneny.
Ho an’ny Ray mpiahy ny fanatanjahatena Malagasy kosa, mora hoy izy ny handresen’ny BAREA de Madagascar ireo ekipa roa voalohany hifanandrina aminy. Etsy ankilany anefa, mafy ny lalao eo anatrehan’ireo nigerianina.
Omaly talata no efa nihazo an’i Egypte ny ekipam-pirenena Malagasy hiatrika ny CAN manomboka ny zoma 21 jiona izao. Nirary soa azy ireo avokoa ny vahoaka sedra anay.
Naté RAKOTOMAVO sy Njara RANDRIANTSOA