Isan’ireo firenena hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany eo amin’ny taranja tsipy kanetibe sokajy Senior lehilahy olon-telo miaraka izay hatao any Laussane Suisse amin’ny taona 2020 i Madagasikara. Ny fiadiana ny tompodakan’i Afrika notontosaina tany Lomé Togo ny 13 ka hatramin’ny 16 mey teo no nahazahoantsika ny tapakila ho any amin’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany.
Teo amin’ny dingana 1/4 no raraka isika Malagasy tamin’ity fifaninanana kaontinantaly ity. Ny ekipan’i Benin no nandresy antsika tamin’izany. Teo amin’ny fifaninanana mitifitra kosa, mbola teo amin’izay dingan’ny 1/4 izay ihany koa no nahararaka ny ekipa Malagasy. Ireo ekipa 10 voalohany tamin’izao fifaninanana fiadiana ny tompodakan’i Afrika izao no tafita amin’ny dingan’ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany hatao any Laussane Suisse.
Ezaka goavana no vitan’ny fikambanana F.S.B.M na ny Federation du Sport Bouliste de Madagascar nahafahantsika niatrika iny fifaninanana taty Afrika iny. Fotoana fohy ihany koa ny fanomanana ny ekipa kanefa tsy nampitsanga-menatra ny vokatra azon’ny ekipa Malagasy.