Hampita mivantana ireo lalao 52n’ny CAN 2019 ny fahitalavitra Malagasy sy ny Radio nasionaly. Fampanantenan’ny filoham-pirenena nandritra ny ady hevitra tao amin’ny fahitalavitra Malagasy nandritra ny fampielezan-kevitra ny hampisitraka ny Malagasy ireo lalao ireo.
Ho afaka manaraka ny dian’ny BAREA sy manohana ny barea amin’izao fiatrehana voalohany ny fiadiana ny tompondakan’I Afrika izao ny Malagasy. Fifaninana izay hanomboka ny faha 21 ny volana jona ho avy izao ka hatramin’ny faha 19 ny volana jolay.
Sahy SYLVAIN