Politiques

Ny fiaraha-midinika amin'ireo mpandraharahan’ny solika no vahaolana ahafahana manena ny vidin-tsolika eny anivon'ireo Toby mpaninjara hoy ny mpahay toe-karena nanazava ny firafitry ny vidin-tsolika eto amintsika. Ankoatry ny vidiny eo amin’ny iraisam-pirenena izay tsy miankina amintsika, efa manampy amin'ny fanenana ny vidin-tsolika ny fanjakana koa rariny raha ny fijerena ny saram-pitaterana sy ny tombom-barotra alain'ireo mpamatsy solika no hijerena vahaolana hoy ny fanazavana.

Nanamarika ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ireo kaompanian-tsolika tetsy amin'ny lapan'Ambohitsorohitra araka ny efa nambaran'ny filoham-pirenena Niara-nidinika tamin'izany ihany koa ireo mpikambana ao amin'ny governemanta nahitana ny Praiministra Christian Ntsay,

Fanaovan-tsonia fifanarahana enina avy hatrany teo amin’ny firenena Malagasy sy ny OIT no tontosan’ny filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny fandraisany anajara tamin’ny fanamarihana ny faha 100 taonan’ny OIT. Ankoatry ny fandraisany anjara tamin’ny fikaonandoha iraisam-pirenena faha 108 ho an’ny asa dia nihaona manokana tamin’ny tale jeneralin’ny sampandraharaha maneran-tany ho an’ny Varotra na ny OMC atoa Roberto AZEVEDO ihany koa ny filoha Andry RAJOELINA.

Nandray anjara manokana tamin’ny andiany faha 108 amin’ny fikaonandoha maneran-tany ho an’ny asa sy ny fankalazana ny faha zato taonan’ny OIT na ny fikambanana iraisam-pirenena hoa n’ny asa tany Genève – Suisse ny filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara Andry RAJOELINA.

Nandritra iny diany tany Genève iny dia nihaona ihany koa tamin’ny chancelière Allemande Angela MERKEL ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA. Sehatr’asa maro no niarahan’izy ireo nidinika tamin’izany toa ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fampianarana.

 Mitovy ny fijery ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny filoha vaovaon'ny vondron'ny banky iraisam-pirenena David Malpass ny amin'ny momba ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Nanamafy ny fanohanany ireo fandaharan'asan'ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny banky iraisam-pirenena taorian'ny nahitany ny momba ireo zava-misy eto Madagasikara sy ny tetik'asa napetraky ny filoham-pirenena hanatsarana ny fiainan'ny Malagasy ao anatin'ny IEM.