Feno zato andro ny 28 aprily no nitantanan'ny filohann'y repoblika Andry Rajoelina ny firenena. zato andro niasa ho an'ny vahoaka Malagasy. Nanao ny tatitry ny zava-bita nandritra io ampaham-potoana io ny filoham-pirenena tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fantanjahan-tena, nanehoany tamin'ny vahoaka Malagasy ireo zava-bita ary koa nizarany ny zava-misy marina eto amin'ny firenena araka ny fametrahana ny mangarahara efa nolazainy. Nanehoan'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina indray ny fahavonony hatrany hanavotra ny firenena miaraka amin'ny vahoaka Malagasy ka nanavaozany ireo velirano nataony io fotoana io.

“Hiaraka hibanjina ny ho avy isika rehetra, hanavotra an'i Madagasikara”. Ireo no teny nentin'ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina namehezana ny fotoana nizarany tamin'ny vahoaka Malagasy ireo asa tontosa tanatin'ireo zato andro voalohany nitantanany ny firenena. Tao mahamasina, teo amin'ny toerana nanaovany ny fanoloran-tena ho an'i Madagasikara no nanaporofoany ny alahady 28 aprily fa nitana ireo teny nomeny izy, tsy nivaona tamin'ireo velirano nataony dia ny fitsinjovana ireo mponina  sy ny fiasana haingana hanatanterahana izany.

 

Haingam-pandeha

 

Ho porofon’izany, nampatsiahiviny fa 3 andro tao aorianan’ny nandraisany ny fitondrana dia tafapetraka ny Praiminisitra. Nanaraka avy eo ny fananganana ny governemanta ary koa ireo fitsidihana tany atsimo, ho fanomezana rano fisotro madio, sy avaratry ny Nosy hanampiana ny mponina amin’ny ady amin’ny kitrotro.

Mbola izay hafainganam-piasa izay no nahavitana namonjy haingana ireo malagasy maro izay tsy ampy sakafo tamin'ny alalan'ny vary mora izay tafiditra anatin'ny « plan d'urgence sociale » efa nampanantenainy hanampiana ny mponina anatin'ny hamehana. Nahavitana ihany koa nampiena ny asan-dahalo ka ohatra amin'izany ny nahatafaverenan'ny 62% ireo omby lasan'y dahalo nandritra ireo zato andro ireo. ary tsy hitsahatra fa hanatsara izany hatrany i Madagasikar hoy ny filoha.

Raha ny momban’ny tohin’ny asa efa natomboka, nanambara ny Filoha fa tsy maintsy hizaka tena ara-tsakafo i Madagasikara ao anatin’ny 5 taona. Raha ny lafin’ny fandriampahalemana, hahazo fiara tsy mataho-dalana 200 ary koa fiaramanidina sy angidim-by ny tafika.

« Ho an'ny tombontsoa ambonin'ny firenena no nanaovako ireo asa ireo ary ny fanapahan-kevitra noraisiko dia entina hanasoa ny vahoaka Malagasy », hoy ny filoham-pirenena. Tsy ilaozan-tsakana anefa ny fampandrosoana noho ny fitiavan-tenan'olom-bitsy, « nefa tsy ampihemotra izany » hoy ihany ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina.

 

Mangarahara

 

Nampiavaka ny fitantanany tanatin'izay zato andro izay koa ny mangarahara. Voaporofo izany tamin’ny fametrahan'ireo ministra rehetra ny fanambaram-pananana, ny ady amin'ny kolikoly amin'ny fidirana ho mpiasam-panjakana sy ny fampiasana ny rindrankajy AuGURE hitantanana ireo mpiasam-panjakana eny amin'ireo ministera sy ny andrim-panjakana isan'isany, hisian'ny mangarahara sy ny fanjakana tsara tantana tsy mandany ny volam-bahoaka.

Hita taratra tanatin'ireo zato andro voalohany ireo koa ny fomba fiasa mahomby, nampiakatra sahady ny endrik'i Madagasikara eo imason'ny iraisam-pirenena, toa ny nanomezana voninahitra antsika ho vahiny manokana tamin'ny fetim-pirenena maorisiana sy senegaley. Teo ihany koa ny fahatokisan'ireo mpiara-miasa iraisam-pirenena ka naneken'ny Banky afrikana ho an'ny fampandrosoana hamatsy ireo tetik'asa goavana hanatsarana ny voka-bary sy ny famokarana herinaratra. toa izany koa ny banky iraisam-pirenena izay mamatsy vola ny famatsiana herinaratra sy famokarana angovo madio ohatra. Nambaran’ny Filoha moa fa  ho avy eto Madagasikara ny 29 aprily ny filohan'ny banky iraisam-pirenena.

Hafainganam-piasa, fahaiza-mitantana ary fitiavan-tanindrazana, ireo raha fehezina no hita nandritra ireo zato voalohany. “Ny fanavotana ny tanindrazana anefa dia raharaham-pirenena, raharaham-bahoaka ka hiara-hibanjina ny ho avy isika rehetra hanavotra an'i Madagasikara” hoy ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina teo am-pamaranana.

Judicaël Randrianirina