Politiques

Ho entitra amin’ny fikajiana sy fitandroana ny fandaniam-bolam-panjakana ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA
 
Entitra ny Filoham-pirenena ny amin’ny fitantanana sy ny fandaniana ny volam-panjakana eny anivon’ny ministera isan-tsokajiny ka tokony hampiharina hoy izy ny atao hoe : « Mercuriale des prix dans la gestion des marchés publics ».

19 ireo minisitra tafaverina ao anatin’ny governemanta. Solombavambahoakan’i Madagasikara roa hafa naverina ho mpikambana anatin’ny governemanta vaovao, ary iray no minisitra vaovao hanatevina amin’ny fanatanterahana ny politikam-panjakana ankapobean’ny sy ireo velirano nifanaovan’ny filoham-pirenena tamin’ny vahoaka malagasy.

Neken’ny filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny omaly maraina, tetsy amin’ny lapam-panjakan’Iavoloha ny fametraham-pialan’ny Praiminisitra Christian Ntsay sy ny governemanta, izay mifanaraka amin’ny voalaza ao amin’ny andininy faha efatra amby dimam-polon’ny lalàm-panorenena malagasy.

Tontosa omaly ny fifamindram-pahefana teo amin’ny filohan’ny antenimieram-pirenena teo aloha, Jean Max RAKOTOMAMONJY, sy ny filohan’ny antenimieram-pienena vaovao Christine RAZANAMAHASOA.

Nosokafana tamin'ity androany ity ny fankalazana ny faha 60 taonan'ny antenimieran-doholona. Fanompom-pivavahana tao amin'ny Ekar Saint Joseph Mahamasina no nisantarana izany fankalazana izany.

Efa nampihatra ny pôlitika-pitsitsiana ny fitondrana hisorohana ny fandaniam-poana ny volam-bahoaka araka ny baikon’ny filohan’ny repoblika Andry RAJOELINA. Efa hita soritra izany teny anivon’ireo ministera sy ireo sampandraharaham-panjakana.