Misy ny fikonokononana fanonganana ny filohan'ny antenimieran-doholona Rivo Rakotovao amin'izao antsaky ny volana aprily izao. Araka ny fantatra, efa misy ny fanangonan-tsonia ataon'ireo loholona ho fangatahana ny fanatanterahina fivoriana tsy ara-potoana.

Raha ny fantatra ihany koa dia ireo loholona HVM ihany no mikonokonona ity fanonganana ny filohan'ny antenimierandoholona ity ka sonia miisa 35 no efa voahangon'ireo loholona ireo hatramin'ny androany.

 Efa nametraka fangatahama ny hanatanterahina fivoriana tsy ara-potona eny anivon`ny primatiora sy ny fiadidina ny repoblika ihany koa ireo loholona nanatanteraka fanangonan-tsonia ar azo antoka fa ho tafiditra amin’ny lahadinika mandritra io fivoriana tsy ara-potoana io ny fanovana ny filoha sy ny birao maharitra eo anivon`ny antenimierandoholona.

Ny tsy fahafahan’ny filohan’ny antenimieran-doholona sy ireo mpikambna ao anatin’ny birao maharitra mampandeha ny antenimieran-doholona amin’ny maha-andrimpanjakana azy no fantatra fa antony hikonokononan’ireo loholona fanonganana ny  filoha sy ny birao maharitra .Raha tsiahivina, nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana natrehin`ireo loholona ny volana febroary lasa teo no efa nisy ny fikasan'ireo loholona hifidy filohan'ny antenimierandoholona vaovao.

 

Sonia 35 amin’ny 63

 

Raha ny voafaritra ao anatin'ny andininy faha 76 ao amin’ny lalampanorenana, azon`ireo loholona atao ny mangataka fivoriana tsy ara-potoana raha toa ka mihoatra ny antsasa-manilan'izy ireo no mangataka izany. Azo heverina noho izany ny mety hisian'ny fivoriana tsy ara-potoana ho atrehin`ireo loholona satria loholona mihoatra ny 35 amin’ireo loholona 63 mpikambana eo anivon’ny antenimieran-doholona no fantatra fa efa nanao sonia ny fangatahna ny hanatanterahina io fivoriana tsy ara-potoana io.

Rado Ramananjatovo