Mitovy ny fijery ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny filoha vaovaon'ny vondron'ny banky iraisam-pirenena David Malpass ny amin'ny momba ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Nanamafy ny fanohanany ireo fandaharan'asan'ny fitondrana ankehitriny ny filohan'ny banky iraisam-pirenena taorian'ny nahitany ny momba ireo zava-misy eto Madagasikara sy ny tetik'asa napetraky ny filoham-pirenena hanatsarana ny fiainan'ny Malagasy ao anatin'ny IEM.
Tamin-pirahalahiana no nihaonan'ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina tamin'Atoa David Malpass, filoha vaovao faha 13n'ny vondron'ny banky iraisam-pirenena, ny 29 aprily. Fivahinianana ofisialy voalohany izao ataony izao ary i Madagasikara no nofidiany hotsidihana amin'izany. Fitsidihana manan-tantara noho izany satria ihany koa niarahana avy hatrany nijery ireo fampandrosoana ilaina eto Madagasikara.
Hoy ny filoha Malagasy raha nandray ity olo-manan-kaja ity :
"Manan-tantara ho an'i Madagasikara sy ny faritra misy azy izao fitsidihana izao. Indrindra ihany koa ny fahatongavan'ireo mpiara-miasa aminao izay vonona ny hiombon'ezaka amin'ny hanaovana an'i Madagasikara ho fitaratry ny fampandrosoana aty amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy Afrika. Fotoana tsy manam-paharoa nahafahana nijery ireo fomba fiaraha-miasa sy ireo asa hoatao ny androany, nahafahana nahita ireo fanamby goavana sy nametraka ireo laharam-pahamehana manoloana ny zavamisy nianjady tamin'ny vahoaka malagasy efa hatry ny ela izay. Isan'izany ny fanatsarana ny maha-olona amin'ny alalan'ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana ary ny famatsiana rano fisotro madio sy ny fizakan-tena ara-tsakafo. Faharoa manarak'izany ireo fotodrafitr'asa, indrindra ireo làlana sy ny famatsiana angovo. Isan'izany ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha 44 mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka izay sompitr'i Madagasikara. Eo ihany koa ny lalam-pirenena faha 12 mampitohy an'i Vangaindrano sy Taolanaro"
Notsindriana manokana ihany koa ny sehatry ny angovo izay hanatrarana ny tanjona famokarana 800 MW, izany hoe hampitombo avo roa heny ny famatsiana herin'aratra amin'ny angovo maitso anatin'ny dimy taona, ary ny fanatsarana ny tontolon'ny fampiasam-bola eto Madagasiakara.
Vonona hanohana
Nankasitrahan'ity filoha faha 13n'ny banky iraisam-pirenena ity ny fitantanan'ny filohan'ny Repoblika hitondra amin'ny fampandrosoana.
Hoy indrindra Atoa David Malpass :
" Miarahaba manokana an'Atoa filohan'y repoblika aho amin'ireo asa ataony sy ny finiavana hiroso hatrany. Ankasitrahako izy amin'ny fibanjinany ny ho avy, amin'ny fametrahany ireo fanamby ary amin'ireo zava-bitany tanatin'izay zato andro izay. Afaka mitondra sy manampy betsaka amin'ny fampandrosoana izahay. ary efa hitako ny hafanam-pon'ny vahoaka malagasy. 20 tapitrisa ianareo no miaina anaty fahantrana ankehitriny saingy kosa manana ho avy mamiratra noho ny finiavanareo hiroso ankehitriny."
Nanamafy ny fahavononany hanohana an'i Madagasikara eo amin'ny lalan'ny fampandrosoana Atoa David Malpass, filohan'ny vondron'ny banky iraisam-pirenena. Vola 392 tapitrisa dolara hatreto no hamatsian'izy ireo ny sehatry ny sosialy, ny famatsiana herin'aratra ary ny fananan-tany izay hizarana kara-tany misisa 2 500 000 amina kaomina 500.
Nambarany koa fa hoentina manoloana ny filan-kevim-pitantan'ny banky iraisam-pirenena ny 30 aprily 2019 ny hamoahana vola 100 tapitrisa dolara ho an'i Madagasikara tsy ho ela.
Judicaël Randrianirina