Faits divers

Tsena 1200 amin’ny 1700 no may ny afo ny sabotsy teo tao bazarikely Toamasina,
Naharitra andiny 3 eo ny faharetany afo, ary potika nivadika lavenona avokoa ny 80% ny tsena,
Raha ny 70 % ireo nametraka entana tao aminy tsena kosa dia tsy nisy noraisina na ny tapa-panjaitra iray.

Olona 77 tamina trano hazo 20 teny Ambodivona Andravoahangy no traboina ankehitriny, vokatry ny fahamaizana niseho afakomaly alina.
Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana. Fifaliana niarahan’ny Malagasy rehetra ny fitsenana ny Barean’i Madagasikara ny sabotsy teo, saingy nisy ihany koa ny fahamaizana teny andravoahangy nandritra izany fotoana izany. Labozia tsy voavono no nitarika ny afo raha ny nambaran’ny nanatri-maso.

Tohin’ilay fanafihana sy fitifirana karana teny Tanjombato ny volana jona teo dia miaramila roa miaraka amin’ny namany 4 no nidoboka am-ponja eny Tsiafahy omaly rehefa avy niakatra fitsarana omaly maraina.

Mahatratra enina alina ireo basy eny an-tanan’ireo sivily voarakitra ao amin’ny talen’ny fanompoam-pirenena sy fianry eo anivon’ny tafika malagasy. Hisy ny fanavaozana izany sy fitsirihana ireo basy tsy ara-dalana eny ampelatan’olo-tsotra isak’ireo distrika 119 manerana ny nosy. Hisy ihany koa ny fanentanana ireo tanora Malagasy feno taona mba hanao ny fitsarana miaramila.

Nandritra ny fanolorana mari-boninahitra ny « attaché de défense » Amerika teny amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena teny Ampahibe ny zoma lasa no nanambaran ‘ny masoivoho Amerikana miasa sy monina eto amintsika fa efa mihatsara tanteraka ary efa azo tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandrimpahalemana eto Madagasikara.

Ny 20 jona hoavy izao no fe-potoana farana hahafahana mamerina ireo basy tsy ara-dala eny antanan’olo-tsotra. Aorian’ny 20 jona hiaran’ny sazy enjana ireo izay mbola minia tsy mamerina izany raha ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena ny erin’andro lasa teo.