Tsena 1200 amin’ny 1700 no may ny afo ny sabotsy teo tao bazarikely Toamasina,
Naharitra andiny 3 eo ny faharetany afo, ary potika nivadika lavenona avokoa ny 80% ny tsena,
Raha ny 70 % ireo nametraka entana tao aminy tsena kosa dia tsy nisy noraisina na ny tapa-panjaitra iray.


Iny androtr’iny ihany dia tonga teny ifotony ary nijery akaiky ny voina nahazo ireo mpivarotra ao bazarikely ny delegasionina notarihin’ny prefet ny Toamasina sy ny kaominina renivohitry ny Toamasina. Nanolotra camion 4, izay hanampy amin’ny fitaterana ireo ambina fanitso izy ity, no sady anadio ireo tsena mba hanamorana ny fiverenan'ireo mpivarotra aminy toerany. 13 taona aty aoriana izao nisehoan’ny fahamaizana goavana eto Toamasina. Mbola mikaroka izay mety ho anton’izao fahamaizana izao ny mpitandro filaminana any an-toerana.