Olona 77 tamina trano hazo 20 teny Ambodivona Andravoahangy no traboina ankehitriny, vokatry ny fahamaizana niseho afakomaly alina.
Tantely amam-bahona tokoa ny fiainana. Fifaliana niarahan’ny Malagasy rehetra ny fitsenana ny Barean’i Madagasikara ny sabotsy teo, saingy nisy ihany koa ny fahamaizana teny andravoahangy nandritra izany fotoana izany. Labozia tsy voavono no nitarika ny afo raha ny nambaran’ny nanatri-maso. Marobe noho izany ireo tsy manan-kialofana sy very fananana satria trano hazo 20 no may tamin’io alina io, tao ary moa ireo izay very fitaovana fiasana hoenti-mamelom-bady aman-janaka.
Tsy nijery fotsiny anefa fa nitondra fanampiana ireo traboina ny avy ao amin’ny BNGRC, iraka solotena avy amin’ny fitondram-panjakana. Vary 20 kitapo, voamaina 10 kitapo, vilany sy vilia ary sotro miisa 77 no nozaraina, isa mifanaraka tsara amin’ny isan’ireo olona tra-doza teny andravoahangy. Ny sefo-pokotany no itsinjara izany amin’ireo voakasiky ny loza. Ankoatra izay, trano lay 5 ihany koa no atsangana ho azy ireo, ka anaovana tagnamaro ny fanadiovana sy fanalana ireo korontan’entana navelan’ny fahamaizana.
Nankasitraka ny fitondram-panjakana sy ireo avy amin’ny BNGRC tonga teny an-toerana ny solotenan’ny fokonolon’Andravoahangy, noho izao fanampiana azy ireo izao.
Tiavina ANDRIANJAFITSEHENO
Yves Jahnel