Tohin’ilay fanafihana sy fitifirana karana teny Tanjombato ny volana jona teo dia miaramila roa miaraka amin’ny namany 4 no nidoboka am-ponja eny Tsiafahy omaly rehefa avy niakatra fitsarana omaly maraina.

Raha ny vaovao avy amin’ny polisim-pirenena, mpiasa tao amin’io karana io ihany no mpanome vaovao ireo olon-dratsy ka avy amin’ny fisamborana sy Fanadihadiana io mpiasa io nahazoana izao vokatra izao.