Nandritra ny fanolorana mari-boninahitra ny « attaché de défense » Amerika teny amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena teny Ampahibe ny zoma lasa no nanambaran ‘ny masoivoho Amerikana miasa sy monina eto amintsika fa efa mihatsara tanteraka ary efa azo tsapain-tanana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny fandrimpahalemana eto Madagasikara.
Maro ireo fitondrana nifandimby saingy ity fitondrana ity vao tena naitana vokatra mivaingana. Ty ny eto andrenivohitra ihany hoy izy no ahitana izany fa indrindra ny any ambanivohitra.