Faits divers

Afa-doza ny mponin’i Tsarafaritra Tsimbazaza, satria tontosa androany ny fanapoahana ilay vato be milanja 500T nahiana nihotsaka  eny amin’ny fokontany Tsarafaritra Andoharano Tsimbazaza. Nanano sarotra ny asa fanapoahana, raha ny nambaran’ireo teknisiana teny an-toerana. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy, na ny naratra, tsy nisy ihany koa ireo trano voakasika nandritry ny fanapoahana.

Rongony milanja 55 kg no saron’ny pôlisy tany Toamasina ny aliny 6 jona teo. Nafenina tao anaty valizy ireo rongony ireo ary nentina tuctuc. Tsy fantatra ny tena fiavian’ireto rongony ireto raha ny fanazavana.

LEGENDE / Farouk Daya, ankavia amin’ny sary, ilay namoy ny ainy

Namohy ny ainy nandritra ny trangam-panafihana mitam-piadiana ny harivan’ny 31 janoary tokony ho tamin’ny 6 ora ariva i Irfan Farouk Daya, teratany karana 23 taona. Araka ny vaovao voaray, teo andalam-podiana niaraka tamin’ny fiakaviany ity tovolahy ity no izao niharan’ny fanafihana izao.

Tsy vao androany no nahafantarana fa manjaka ny mpanao ratsy amin’ny tanàna maro manerana ny nosy, ary isan’izany i Morondava. Mitebiteby araka izany ny mponina, fa indrindra ireo mpiavy.

Omby 200 no lasa, jamà efa-dahy no maty voatetitetikin’ny dahalo nandritran’ny fanafihana nisy tao amin’ny kaominina Malakialina sy Mampikony. Dahalo efa ho 55 nirongo basy lava miaramila Mas 36, pilotra ary basy Kalachnikov iray no niara-nanafika izany fokontany izany ka izao nahitana vono olona mahatsiravina izao. Bepatso, Ambalavelona, Ambalahasy, ireo no tanàna nolalovan’ireo tsy mataho-tody ireo tamin’izany.


Un enfant d’épicier âgé de 5 ans a été enlevé à Ambohimanarina par trois malfrats, le 22 novembre. Vendredi dernier, trois individus : un couple marié et une femme, ont été transférés au Tribunal de Première Instance à Anosy, après une enquête diligentée par la Brigade Criminelle de la police.