Rongony milanja 55 kg no saron’ny pôlisy tany Toamasina ny aliny 6 jona teo. Nafenina tao anaty valizy ireo rongony ireo ary nentina tuctuc. Tsy fantatra ny tena fiavian’ireto rongony ireto raha ny fanazavana.

Avy teny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse hihazo an’Andranomadio ireo zava-mahadomelina ireo no sarona teo amin’ny tranonjiro Ankirihiry. Fantatra ihany koa taorian’ny Fanadihadiana fa misy tambazotra mpamongady rongony ao Toamasina. Mbola hitohy arak’izany ny fikarohana ireo tena ati-doha mikotrika ny famarotana zava-mahadomelina ao Toamasina.