Tsy vao androany no nahafantarana fa manjaka ny mpanao ratsy amin’ny tanàna maro manerana ny nosy, ary isan’izany i Morondava. Mitebiteby araka izany ny mponina, fa indrindra ireo mpiavy.
Porofo iray amin’izany ny antso an-tariby voaray omaly 28 janoary 2019 tamin’ny 9 alina avy tany Morondava, avy tamina mpiavy manao asam-panjakana any an-toerana : « Misy olona tonga taminay teto. Olo io dahalo aminay eto. Misy dahalo boaka Mahabo any mampandre hoe androany, na rahampitso na afak’ampitso de ho avy ireo hanafika tranonay. Niantso raiamandreninay lavitra any izahay de nilaza izy ireo fa tsy maintsy halana aty izahay na inona na inona. Mitebiteby atoandro aman’alina izahay aty. »
Mpiasam-panjakana monina efa an-taonany vitsy tany no mahazo izao fandrahonana azo lazaina ho mivantana izao. Handeha, sao very asa. Hijanona ihany, sao manaraka ny aina, na hitondra takaitra, ary tsy maintsy ho voaroba fananana. Ny toeram-pivarotana antampon-tanàna, ny mpivady samy mampidi-bola, ny mpiompy mba miroborobo na dia akoho fotsiny aza io, dia samy lasibatra daholo, hoy ny vaovao avy any an-toerana.
Antenaina fa izao fanjakana vaovao izao no mba mety hahavaha ity olan’ny fandriampahalemana amin’ny toerana maro manerana ny nosy izao. Tsy mora ny miaina saika isan’andro anaty tebiteby. Ny voasambotra matetitetika votsotra, ny tsy mbola azo moa miriaria eny rehetra eny, manjaka toa banga miomehy alina.
B.S.