Omby 200 no lasa, jamà efa-dahy no maty voatetitetikin’ny dahalo nandritran’ny fanafihana nisy tao amin’ny kaominina Malakialina sy Mampikony. Dahalo efa ho 55 nirongo basy lava miaramila Mas 36, pilotra ary basy Kalachnikov iray no niara-nanafika izany fokontany izany ka izao nahitana vono olona mahatsiravina izao. Bepatso, Ambalavelona, Ambalahasy, ireo no tanàna nolalovan’ireo tsy mataho-tody ireo tamin’izany.


Tao anatin’izay anefa, nisy ny fifanenjehana teo amin’ireo dahalo sy ny jamà miisa 4. Ny jamà moa dia zatovolahy karamain’ny fokonolona mba miaro sy manampy azy amin’ny resaka fandriampahalemana. Nifanehatra tao Tampoketsa ireo andiany roa ireo tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro tany ho any, ka raikitra teo ny fifampitifirana.
Samy nandany ny heriny tamin’izany avokoa na ny dahalo na ny jamà efa-dahy, tao anatin’ny fotoana naharitraritra. Noho ny ela, lany bala ireo dahalo ka pilotra sisa no nampiasainy, ary tamin’izay fotoana izay indrindra no nahalavoan-dry zareo ireo jamà ireo. Tsy vitan’ny efa matin’izy ireo ireto jamà efa-dahy ireto, fa tsy namelany mihitsy raha tsy potipotika tanteraka satria dia nokapakapainy tsy nananany hantra ireo jamà ireo.


Vantany vao nahita izay koa ireo olona nanara-dia tao aoriana, tsy nahatohitra ireo dahalo ireo intsony izy ka ny hany nataony sisa dia ny nanavo-tena. Sao dia mbola hitohy manko ny vono hatao azy ireo ka ho be ny ho latsa-dra. Tsy sahy nampahafantatra ireo zandary mahakasika ilay famonoana sy fandrobàna anefa ireo fokonolona raha tsy dify tanteraka ireo dahalo. Antony tsy nahatratrarana ireo dahalo ara-potoana izany.


Ankehitriny, mbola mitohy ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireto dahalo nahavanon-doza ireto, miara-miasa amin’izany ny zandary ao an-toerana sy ny fokonolona.


Felaniaina Tiavina